<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>718</hymn_number>
<title>He torimaso mamy FFPM718</title>
<lyrics>[V1]
 He torimaso mamy
 No atolory ahy,
 Ry Raiko Mpiandany,
 Sy herin'ny fanahy.
 Ny sandrinao mahery
 No hiampofo ahy ;
 Ny masonao mijery,
 Manala ahiahy.

[V2]
 Ny otako androany
 Koseho, Raiko ô !
 Ireo ory mitomany
 Ampaherezonao,
 Ny havako rehetra
 Sy ny sakaiza koa,
 Tahio tsy hanjoretra
 Ampifalio tokoa.

[V3]
 Ireo sahiran-tsaina
 Sy mandry fotsy izao
 Ny kivy, mitaraina
 Vonjeo, ry Tompo ô !
 Ireo marary maro
 Sy ny mpitsabo koa,
 Tahio, ry Mpiaro,
 Arovy tsy ho voa.

[V4]
 Hianao no tokinay
 Ka dia hatory izao
 Ireto nofonay
 Am-pelatananao.
 Sakano re ny ratsy
 Mba tsy hamely izao
 Ry Jeso Mpiambina ahy
 Sy voninahitra ô !</lyrics>
</song>